La Réunion : Ampitomboina ny isan’ny « Car jaune »
Fitanteram-bahoaka ao La réunion ny « Car jaune ». Tambajotra « autocars interurbain » mavitrika ao amin’ny nosy izy io izay miasa amina zotra miisa 17.
Manomboka ny 28 izao dia ho hampitomboan’ireo tompon’andraikitra isa ireo fiara fitaterana ireo ary ho maimaimpoana ny fitaingenana azy ho an’ireo mpitady asa misoratra ao amin’ny « Pôle Emploi », zokiolona ary mpianatra. Hitombo 2500 ny toerana azo sitrahana amin’io fitaovam-pitanterana io isan’andro. Misy nefa ny lamina napetakin’ireo tompon’andraikitra ho an’ireo sokajin’olona ireo amin’ny fisitrahana izany.
Ho an’ny mpitady asa manokana dia mila misoratra anarana sy mitondra antontan-taratasy fanamarinana avy amin’ny « Pôle Emploi ».
