SocialTsidika

Fahazarana : Omeo lanja ny fiainanao andavan’andro mba hisian’ny fivoarana

Rehefa manana hevitra ny olona iray dia tokony handroso sy hivoatra hatrany. Miankina amin’ny mety hampiasana izany ihany anefa no hirosoana. Hitondra zava-tsoa tsy hampoizina eo amin’ny fiainana ny ezaka kelikely atao manomboka amin’ny fiainana andavanandro.

Maro ny olona no te hivoatra sy handroso, satria izany no heverin’izy ireo ho laharampahamehana. Kanefa aiza no tokony ho atomboka izany ? Rehefa amin’ny fotoana manao ahoana ? Ny tanjona rehetra dia tsy tokony hisaraka amin’ny fiainana andavanandro. Indrindra raha ny resaka fahombiazana no tena resahintsika eto. Mila atomboka eo amin’ny fiainana andavanandro ny tanjona iray mba hananana fahazarana kokoa. Ny olon-drehetra tsy an-kanavaka mantsy dia samy miaina ao anaty fiarahamonina avokoa.

« Avy amin’ny fiainana andavanandron’ny tsirayiray no ahafahany mivoatra sy mandroso. Hevero fotsiny hoe raha tsy mivoatra eo amin’ny fiainananao andavanandro ny faniriananao, mety hampandroso anao izany ? » hoy i suzette, mpandraharaha. « Tsy hahita fahombiazana avy amin’ny andavanandrom-piainanano ve ianao raha tsy manao ezaka manomboka eo amin’izany ? » hoy kosa i David, mpandraharaha.

Anisan’ny tena mahomby anefa izany raha ity tenin’ny mpanoratra iray ity « tsy hanova na oviana na oviana ny fiainanao ianao raha tsy efa manova zavatra ataonao isanandro. Ny tsiambaratelon’ny fahombiazanao dia ao amin’ny fandaharam-potoananao isanandro ». Izany hoe miankina amin’ny fiainanao andavanandro ny fahombiazanao manontolo.

Tokony tsy hanao tandrevaka ny fiainany andavanandro ny tsirairay fa hiezaka ny hanome ny tsara hatrany mba hisian’ny fivoarana vetivety eo amintsika. Kanefa, mila mahay mandamina tsara ny fandaharam-potoana aloha mba hizoran’ny zava-drehetra raha ny tokony ho izy. Noho izany, tokony hatomboka sahady eo amin’ny fiainana andavanandro ve ny nofinofy sy ny faniriana mba ahitana fahombiazana ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire