Dépêches

Rocade Iarivo: Hisy faritra tsy ho azo ampiasaina manomboka anio 5 desambra.

Dépêche 05 décembre, 15h50, Hasiam-panamboarana sahady ity lalam-be rocade Iarivo ity ka hisy noho izany ny fahatapahan-dalana. Manomboka anio ka hatramin’ny 16 desambra izao no hanatanterahana  ny asa izay manomboka eo Amoronakona ka hatreo  Ambohimahitsy. Ho lasa “double sens” noho izany ny ilany havia raha ny ilany havanana kosa no ho toy izany manomboka ny 12 ka hatramin’ny 16 desambra izao.  Tsy hiverina ny fampaisana ny lalana raha tsy ny 17 desambra izao. Marihina anefa fa vao haingana ity lalana ity no namboarina izay tokony mbola hanarenana ireo lava-davaka aty amin’ny tanan-dehibe ny vola aloha fa tsy ny tokony hipasoka ny efa malama.

Laisser un commentaire