Labiera : Mampaniry volo haingana sady miaro azy tsy hihintsana
Zava-pisotro misy alcool ny labiera. Ahitana rano (91%), siramamy, sels minéraux, protéines, levures de bière, vitamine B1 sy B2 izay tena mampaniry no sady manamafy ny volo. Ny labiera tsotra no ampiasaina fa tsy glacé.
Fomba fampiasana azy : rehefa avy manasa volo tamin’ny shampoing dia rarahana labiera ny volo, ary alona mandritra ny 30 minitra eo ho eo izay vao kobanina amin’ny rano mangatsika. Atao isan’andro ary mandritra ny 10 andro ny faharetan’ny fitsabona. Hita ny fanirin’ny volo sady mihena ny fihintsnany rehefa vita ny 10 andro.
