ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Fifaninanana BTC manodidina ny fitiavan-tanindrazana

Nifarana ny 31 janoary lasa teo ny fifaninanana nokarakarain’ny BTC, izay nifototra tamin’ny lohahevitra « fitiavan-tanindrazana ». Sokajy telo no nifaninana tamin’izany : ny sary, ny tononkalo ary ny « cover ». Nahemotra ny 4 febroary izao ny famoahana ny anaran’ireo mpandresy raha toa ka ny 1 febroary no saika namoahana azy.

« Betsaka ny tonga nitaraina taty aminay mikasika ny fanaovana “autolike”. Hisy noho izany ny sivana fanampiny raha saika ny isan’ny j’aime ihany no mikaonty. Izany no natao mba hampangarahara tanteraka ny lalao » hoy i Ando, mpikarakara ny hetsika. « Tena lasa tsy mangarahara tokoa ny lalao amin’ity “autolike” ity. Soa fa misaina tsara ny mpikarakara ny fifaninana. Hita tokoa fa lalao mazava ho entina hampandrosoana ny talenta izao ataony izao » hoy i Tanjona, isan’ireo mpandray anjara.

« Tsara foana ny manaraka ny pejin’ny BTC ho an’ny vaovao rehetra. Tsy mikatsaka hafa-tsy izay hampandrosoana ny tanora sy ny tontolony ny BTC. Tsy misy fiangarana ato amin’ny BTC fa mitovy avokoa ny rehetra. Mendrika fampandrosoana ny tanora » hoy i Diamondra, isan’ireo nanorina ny BTC.

Fifaninana madio mandeha amin’ny mangarahara tokoa no ilain’ny besinimaro. Ilaina ny fampanjakana ny mangarahara eo amin’ny fampandrosoana. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire