Dépêches

Toe-karena : Miantso fiaraha-miasa ny minisitry ny varotra

01 Febroary, 11h42. Niantso fiaraha-miasa amin’ny mpandraharahaha ara-toekarena amin’ny sehatra tsy miankiana ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Varotra sy ny Indostria, Edgard Razafindravahy nandritra ny fifampiresahany niaraka tamin’ireo mpikambana ao anatin’ny Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy (FIVMPAMA) omaly. Notontosaina ny folakandron’ny omaly tetsy amin’ny Vaniala Antsakaviro ny fihaonana ary nanentana ireo mpandraharaha malagasy hiara-hamindra amin’ny Fitondram-panjakana ho fampiroboroboana ny tontolon’ny fandraharahana ary hanangana fotodrafitrasa matanjaka ny tenany.

Laisser un commentaire