RNT12 A: Tapaka nanomboka ny Sabotsy 10 Jona lasa teo.
Baka mpitatitra iray no simba ao Befasy Distrikan’i Vangaindrano ka izao miteraka ny fahatapahan’ny RNT 12 A mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano izao. Raha ny nambaran’i Veny teknisianina dia ny fahavakisan’ny lakam-by roa mitrotro ny motera ka mampilentika azy no nahatonga ity baka ity mihitsoka eo.
Araka izany dia efa nanomboka ny Sabotsy 10 Jona lasa teo no tapaka sy tsy afaka nampiasana afa-tsy lakana intsony teto amin’ity toerana ity ka niteraka savorovoro sy fahasorenana hoan’ireo mpampiasa azy.
“Faty antoka ho anay izao fahatapahan’ny RNT izao satria mihitsoka aty daholo ny entana tokony entina amidy, mila jerena vahaolana farak’izay haingana ity fa manankorotana ny fiainana an-davanandronay mpampiasa azy” hoy Ingahy Jenezy mpanao varo-mandeha.
Nanamafy kosa ny tompon‘andraikitr’ity baka ity fa efa eo am-pijerevana ny fomba anesorana ity baka ity eo amin’io toerana io izy ireo mba hisokafana’ny RNT 12 A ary koa mba ahafahana manao ny asa fanamboarana ity fitaovam-pitanterana ity.
Araka ny fantatra sy ny zava-nisy tany an-toerana nanomboka ny Sabotsy 10 Jona dia maro ireo entana simba sy nariana fotsiny nohon’ny tsy fahafahana niampita nitondra azy ireo tany amin’ny toerana tokony nivarotana azy.
Miranto Andrih
