SocialTatitra

Centrafrique : Fifidianana mpanao lalàna ao anaty fifanenjanana.

Ao anatin’ny toe-pahasalamana tsy azo antoka no nanatanterahan’ny Centrafrique ny fifidianana mpanao lalàna, ny alahady 14 martsa 2021 lasa teo. Olona 1,8 tapitrisa no nantsoina hifidy nandritra izany. Raha tsiahivina, vao tsy ela izay no nifarana ny ady an-trano tao Centreafrique izay naharitra valo taona. Mbola nitohy tahaka izany ihany anefa ny zava-misy tamin’ity taona 2021 ity tany an-toerana, vitsy ireo mponina tonga nifidy. Fari-pifidianana 118 no nanatanterahana izany fifidianan izany. Tanjon’ny mpitondra fanjakana anefa ny fametrahana ny mpanao lalàna vaovao alohan’ny 3 mey 2021. Mamaritra izany ihany koa ny lalam-panorenana any an-toerana. Na teo aza ny fahavitsian’ireo olona tonga nifidy tsy maintsy mitohy amin’ny fanajàna lalàna izy ireo hoy ny voalazan’ny tompon’andraikitra. Mijanona ho toy ny tamin’ny fihodinana voalohany ihany ny fanamby ara-lojika hapetrak’izy ireo. Ny vondrom-pirenena misahana ny fifidianana kosa nilaza fa tokony hamafisina ny fandraisana andraikitra manerana ny boriborintany rehetra.

Laisser un commentaire