Manasitrana aretina maro ny cannelle
Betsaka ny tombontsoa azo avy aminn’y fisotroana thé cannelle. Tena mahasoa ny fahasalamana tokoa ny fanaovana izany ho thé satria afaka miady amin’ny tsimokaretina maro izy toy ny covid-19.
Cannelle vovony iray sotro kely na tahony iray no ampangotrahana amin’ny rano iray vera lehibe. Marihina fa rehefa mangotraka ny rano vao arotsaka ny cannelle ka andrasana 30 segaondra vao esorina amin’ny afo. Azo sotroina amin’ny fotoana rehetra izany ka mety raha ampiarahana amin’ny tantely.
Tsy izay ihany fa miady amin’ny « infection bacterienne » ihany koa ny cannelle ka tsara raha sotroina matetika. Mety amin’ny olona misy tosi-drà ambony sy ny diabetika ny cannelle. Hantenaina fa hitondra soa ho antsika ny fsotroana ny thé azo avy amin’ny cannelle.
Nicole Rafalimananjara
