Actualités

Ambohimangakely : Efa nanomboka ny fanolorana zezika ho an’ny tantsaha

Tamin’ny alatsinainy lasa teo no nanomboka ny fanolorana zezika ho an’ireo tantsaha, izay ataon’ny kaominina Ambohimangakely. Tao amin’ny fokontany Amoronakona no nanombohana izany, ary nihaona mivantana tamin’ireo mponina ny ben’ny tanàna ao an-toerana nandritra izany.

« Ho fanatsarana ny voka-pambolena ho an’ity taona 2022-2023 ity no nanoloran’ny ben’ny tanàna ireo zezika, entina hanampiana ireo tantsaha ao an-toerana. Izao hetsika izao ihany koa izay tafiditra indrindra ao anatin’ny vina izay napetraka ho fanampiana ireo tantsaha rehetra » hoy ireo tompondraikitra ao amin’ny kaominina.

« Efa lafo, ary saro-tadiavina, ny zezika ho an’ny fambolena, efa fotoana maro izay no nisian’izay, ka dia isaorana feno ny ben’ny tanàna nanolotra ny fanampiana satria manampy tokoa ny tantsaha amin’ny famokarana ny tahaka izao » hoy i Fenosoa, mpamboly.

Tao anatin’ny fotoana maro tokoa dia nahitana fiakarana ny vidin’ny zezika teny amin’ireo mpamokatra izany, ary nanano sarotra ny tantsaha ny fitadiavana izany. Nanamarika moa ny ben’ny tanàna fa mbola hitohy any amin’ireo fokontany hafa ny hetsika fanolorana zezika tahaka izao.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire