Ambohimangakely : Miezaka manakaiky vahoaka ny zandarimaria
Miezaka manakaiky ireo vahoaka eny ifotony ny zandarimaria avy ao amin’ny brigadin’Ambohimangakely. Ny talata teo, nisy ny fiaraha-mientana nataon’ireto farany niaraka tamin’ireo mponina avy ao amin’ny fokontany Ambohitrombihavana, kaominina Ambohimangakely, tamin’ny tagnamaron’ny fandriampahalemana.
« Tanjona amin’ny fanatanterahana ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana ny famerenana ny fiambenana ny tanàna isan’andro, ny fanentanana amin’ny resaka fandriam-pahalemana, ny ady amin’ny zava-mahadomelina sy ny maro hafa » hoy ireo avy amin’ny mpitandro filaminana.
« Fepetra mahomby enti-miady amin’ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana tokoa ny fanatanterahana ny tagnamaron’ny fandriampahalemana. Mamely ny mponina loatra ny asa ratsy ka ny fampiarana izany haingana no mahavaha ny olana » hoy i Doda, mponina ao Ambohimangakely.
Ao anatin’ny ezaka fanentanana ataon’ny zandarimaria ihany koa ny fampahafantarana ny mponina ireo lalàna sy sazy mety hahazo raha misy ny firaisana tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy. Ny zandary ihany koa dia manantena ny fiaraha-miasa amin’ny mponina hatrany enti-miady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
Manitra R.
