Anjeva : Manana tanora malaza mpilalao ao amin’ny Barea U23
Isan’ireo mbola voatazona handrafitra ny Barean’i Madagasikara latsaky ny 23 nandritra ny fitiliana natao i Ramintsoa Tsanta, izay zanak’Anjeva. Isan’ireo mpiandry tsatokazo telolahy izy.
« Tena faly izahay manana azy. Tena reharehan’Anjeva mihitsy i Tsanta. Teto Anjeva no nahalehibe azy ary teto no namolavola azy ho lasa toy izao » hoy i Andry, mponina ao Anjeva. « Isan’ny angady nanana sy vy nahitana izao fahombiazana izao ny tompon’andraikitra tao Anjeva. Mankasitraka anareo tami’nny fanohanana » hoy i Tsanta, mpilalao baolina ao amin’ny Barea sokajy latsaky ny 23 taona.
Mpikambana ao amin’ny Jet Kintana latsaky ny 23 i Tsanta. Vao maika miroborobo hatrany ny tontolon’ny baolina kitra eto Avaradrano amin’izao.
Toky Randriamanalison
