Ihosy : Nahiditra am-ponja ilay nanao herisetra tamina manam-boninahitra
Nahiditra am-ponja ilay lehilahy 38 taona « assistant parlementaire » nanao herisetra tamin’ny manam-boninahitra ambony tany Ihosy. Tsiahivina fa ny 26 novambra lasa teo ity lehilahy iray 38 taona no namingavinga ireo Polisy manao ny asany sy nikasi-tanana manamboninahitra ambony avy eto amin’ny Polisim-pirenena tao Ihosy.
« Natolotra ny fampanoavana omaly izy rehefa vita ny fanadihadihana satria tsy tapaka tao Ihosy ny fitsarana dia nampiakarina tany Fianarantsoa ka nampifdirina am-ponja vonjimaika izy » hoy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena. « Tsy azo ekena ny herisetra ka tsy maintsy raisina ny andraikitra ary tsy azo anavahana saranga io na sokajin’olona fa mendrika ny ho arovana avokoa ny rehetra iharan’ny herisetra » hoy i Fetra, mpikambana ao amin’ny fikambanana miaro amin’ny herisetra.
Tokony hisy hatrany ny fampahafantarana ny mpitandro filaminana raha toa ka mahita na iharan’ny trangana herisetra isika ary tsy hanavahana na olon-tsotra na manam-pahefana izany fa mihatra amin’ny rehetra ny lalàna.
Nicole Rafalimananjara
