Fandriam-pahalemana : Basy tsy ara-dalàna miisa efatra no nisy nanatitra tany Fianarantsoa
Mitohy hatrany ny fanentanana ataon’ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena ny amin’ny tokony hanateran aireo basy tsy ara-dalàna rehetra any amin’ny tsirairay any. Nisy vokany tokoa ny fanentanana satria basy miisa efatra izao no nisy nanatitra tao Andonaka Fianarantsoa.
« Averina ihany fa tsy misy sazy ho an’izay manatitra ny basy any amin’ny biraon’ny Distrika misy ny tsirairay avy ary iray volana no fetra’izany famotsora-keloka izany » hoy ny avy ao amin’ny Ministera. « Amin’izao iray volan’ny famotsoran-keloka amin’ny fitazomana basy tsy ara-dalàna izao dia noraisina ary tsy nasiana arakaraka ireo olona nanatitra ireo fitaovam-piadiana ireo » hoy ny tompon’andraikitra ao Fianarantsoa. « Ny olona manaraka ny lalàna dia mandry fahizay ary miaina tsy misy tahotra ka afaka mihary sy mivelona am-pilaminana » hoy i Avotra, mpahay lalàna.
Manentana hatrany ireo izay mbola mitana basy tsy ara-dalàna hanatitra izany eny amin’ny tompon’andraikitra. Mitohy hatrany ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana izay sakana lehibe tsy mampandroso antsika eto Madagasikara.
Nicole Rafalimananjara
