Brésil : Olona valo isan’ora eo no voaolana ao an-toerana
Raha ny angon-drakotry ny « Forum brésilien de sécurité publique » dia nahatratra 74 930 ny trangan’ny fanolanana tao an-toerana ny taona lasa teo. Niakatra 8,2% izany raha nohariny ny tamin’ny taona 2021. Raha ny antontan’isa navoakan’ny fikambanana iray ny herinandro lasa teo dia fantatra fa ny 61,4% tamin’ireo trangam-panolanana ireo dia natao tamin’ny ankizy latsaky ny 14 taona ary tsy vitan’izany fa ny ankizy irao anatin’ny folo amin’ireo niharam-boina ireo dia latsaky ny 4 taona.
Raha momba ny mpanolana kosa dia olona manodidina ireo niharam-boina ny ankahamaroan’izy ireo. Ny 86,1% amin’ny ankizy 0 hatramin’ny 13 taona voaolana dia naolan’ny olona fantany avokoa ary ny 64,4% dia naolan’ny olona tao amin’ny fianakaviana. Ny 68,3% na ny ampahatelon’ny tranga kosa dia niseho tao an-tranon’ireo niharam-boina.
Ny ankahamaroan’ireo mihoatra ny 14 taona kosa dia ireo olo-tiana na vady taloha no nanolana azy ireo. Antony nampiakatra ny antontan’isa kosa ny fitombon’ny fahasahiana nitoroka hoy ny mpandrindra ny Forum, Juliana Martins.
