ActualitésTsidika

Challenge SSMAF Zah : Mitohy ny fandraisana ny sary amin’ny fifaninanana

Efa nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny 15 jolay teo ny hetsika SSMAF ary tsy hifarana raha tsy ny 16 septambra. Maro ny hetsika tontosaina mandritra izany ary anisany ny challenge « SSMAF Zah ».

« Ny challenge SSMAF Zah dia natao hampahafantarana ny karazana toerana mampalaza ny distrikan’ny Avaradrano Antananarivo na manasongadina hetsika olom-pirenena sy fanoloran-tena olom-pirenena. Tsotra ny fandraisana anjara, maka sary mifanaraka amin’ny lohahevitra, mandefa izany ao amin’ny pejy ny BTC ary manangona « j’aime ». Izay sary mahazo « j’aime » betsaka indrindra no mandresy ary hahazo fahafahana hampiranty ny sariny mandritra ny Foire Economique SSMAF » hoy i Harinoro, mpikarakara.

Marihana fa tafiditra ao amin’ny sokajy Music & Art Festival ny challenge « SSMAF Zah » ka ny faha-28 ny volana aogositra no farany fandefasana ny sary. Loka maro no hozaraina amin’ny mpandresy izany.

Laisser un commentaire