SocialTsidika

Alasora : Nahazo jiro i Ambohitromby

Natomboka teny Ambohitromby ny asa fametrahana jiro tamin’ity taona 2022 ity. Efa betsaka ireo fokontany nahazo ny anjara hazavany tamin’ny taona 2021 lasa iny tao amin’ny kaominina Alasora.

« Mampihena betsaka indrindra ny tahan’ny tsy fandriam-pahalemana eto amin’ny tanàna ny fisian’izao jiro manazava ny tanàna izao. Tsy atahorana ihany koa ny fahtapahany noho izy mandeha amin’ny masoandro » hoy i Jean, mponina ao Ambohitromby. « Isaorana hatrany ny orinasa Jirama miara-miasa ami’nny fapetahana ny jiro. Mbola hitohy eny Ampahibato sy Miaana ary Ambodivondava ny fanazavana ny tanàna » hoy ny ben’ny tanàna ao Alasora, Randriantsoa Jimmy.

« Tena ilaina eo amin’ny tanàna iray ny jiro amin’ny alina. Ny alina mantsy no fanjakan’ny ratsy. Matahotra ny ho tratra izy ireo rehefa misy hazavana tahaka izao » hoy i Léon, manam-pahaizana mikasika ny fampandrosoana lovainjafy. Tsy mikely soroka mitady vahaolana ho an’ny tsy fandriam-pahalemana tokoa ny tompon’andraikitra. Sarobidy loatra tokoa mantsy ny aim-bahoaka sy ny fananany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire