Mahabo Menabe : Nihatsara ny fahazoan’ny mponina rano fisotro
12 Janoary, 08h00. Vita ireo fotodrafitr’asa roa hamatsiana rano ireo mponina ao Mahabo, Faritra Manabe. Efa natolotra ny JIRAMA ao an-toerana izany. Efa ampiasain’ny JIRAMA ny iray manome 312m3 isan’andro. Nihatsara ny fahazoan’ny vahoakan’i Mahabo rano raha toa tsy nisitraka izany amam-bolana maro izy ireo.
