Fahasalamam-bahoaka : Tsy mbola misy foana ny vaksiny BCG sy Polio
22 Novambra, 10h06. Efa herinandro maromaro izao no tsy ahitana vaksinin-jaza BCG sy Polio atete am-bava eny amin’ireo toeram-pitsaboana miankina amin’ny fanjakana. Maro amin’ireo zaza vao teraka no tsy mbola nisitraka vaksiny. Tonga eny amin’ny CSB sy « Maternité » mitondra ny zanany ireo reny, saingy miverim-potsiny ary tsy nampahafantarina mazava izay fotoana ahatongavan’ireo vaksiny ireo.
