Manandriana : Nahazo « bloc sanitaire » ny CEG sy ny Lycée
Nahazo « bloc sanitaire » vaovao ny CEG sy ny lycée ao amin’ny kaominina Manandriana. Taorian’ny fanamboarana izao efitrano fidiovana sy fanadiovana ho an’ny mpianatra ity, dia notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro lasa teo izany.
« Ao anatin’ny ezaka fanatsarana sy fanomezana foto-drafitr’asa manaraka ny fenitra sy ny filàn’ny mpianatra dia vita soa aman-tsara ny fametrahana foto-drafitr’asa ho an’ny fidiovana sy ny fanadiovana izao. Hisaorana ireo mpiara-miombon’antoka rehetra ny fahatontosana izany » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ireo sekoly.
« Zava-dehibe tokoa ny fananana toerana madio sy manaraka ny fenitra ety amin’ny sekoly. Antoky ny fahasalamana ihany koa izany ka tsara entanina sy ampianarina ny mpianatra sy ny ireo mampiasa izany mba hahay hikajy sy hikojakoja ny fahadiovana » hoy i Sahondra, mpampianatra.
Foto-drafitr’asa tsy afa-misaraka amin’ny sekoly ny efitrano ho an’ny fidiovana sy ny fanadiovana. Mila fikarakarana sy ny fikojana izy ireny mba ho antoky ny fahasalamana ho an’ny rehetra.
Manitra R.
