Ankadikely Ilafy : Efa misokatra ny lalana mmapitohy an’Ambohitrarahaba sy Androhibe
Efa misokatra vonjimaika ny lalana mampitohy an’Ambohitrarahaba mihazo an’Androhibe. Marihina fa tapaka nandritra ny telo andro ity lalana ity.
« Miezaka mitady vahaolana hatrany isika. Tapaka nandritra ny telo andro ny lalana. Tsy maintsy nosokafana vonjimaika anefa mba hisian’ny fivezivezen’ny fiara sy ny mponina » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija. « Njery tety ifotony mihitsy izahay ho an’izay vahaolana azo natao. Ny mponina tsy maintsy mivezivezy ary mila fifandraisana » hoy ny avy ao ao amin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Trano Fonenana sy ny Tanana Vaovao eo anivon’ny Fiadidinan’ny Repoblika.
« Tena zava-dehibe loatra ho anay ny fisokafan’ity lalana ity. Hita ny fahasahiranana nandritra izay telo andro voatery nanapahana azy izay. Isaorana ny kaominina mitady vahaolana hatrany » hoy i Lanto, mponina ao Androhibe. Nanampy ny kaominina tamin’ny fampitaovana nahafahana nanatanteraka ny asa ihany koa ny « Lotus Immobilier ». Ny Entan-jaraina tokoa mora zaka. Tsara raha mifanohana hatrany isika rehetra mba hananana firenena tsara sy maha-te honina.
Nicole rafalimananjara
