Conseil

Ireo sakafo telo lehibe tandremana mba ho fahasalaman’ny fo

Rehefa miha mandroso ny taona dia lasa mitandrina be be kokoa isika olombelona amin’ny fahasalamana indrindra amin’ny fihinanana sakafo. Mandroso manaraka izany koa ny faharetan’ny fitempon’ny fo, ka tsara raha mikolo sy mikajy azy tsara dieny mbola salama tsara. Tokony tsy hadinoina ny manao fahatanjahan-tena, 30 minitra eo ho eo isan’andro, mba ho fikolokoloana ny fo indrindra amin’ny fijanonan’ny fo tampoka. Ankoatry ny fanatanjahan-tena, dia manana anjara toerana lehibe ihany koa ny fihinana sakafo ara-pahasalamana. Ireto toro-hevitra telo ampahafantarina antsika ireto dia ireo sakafo mety fihinana andavan’andro anefa tokony hitandremana.

Ny siramany, ny sira ary ny menaka

Rehefa maro loatra ny tahan’ny siramamy, ny sira ary ny menaka anatin’ny vatantsika olombelona dia mamparefo ny fo izany satria mora mahatsentsina ireo lalan-drà ary mahatonga ny fijanonan’ny fo tampoka ihany koa. Ahena araka izany ny fihinana ireo voalaza ireo fa tsy foanana ary lanjalanjaina tsara.

Ny hena mena

Maro amintsika no tia manendy, mihinana matetika ireny hena mena ireny anefa dia mety hitera-doza amin’ny fahasalamantsika ny fihinana be loatra azy ireny raha tsy hiteny fotsiny ny mahatonga ny homamiadian’ny “côlon”, ny vavony, ny aty ary mbola misy maro hafa. Raha ny fikarohana natao dia tokony in-droa isan-kerin’andro isika no mihinana ireny hena mena toy ny hena kisoa, hen’omby, hen’ondry ireny.

Ny zava-pisotro misy gazy na ny jus gazeuse

Ampahafantarina antsika fa tsy mitondra otrik’aina ny ankamaroan’ireny zava pisotro misy gazy ireny. Maro ny tahan’ny siramamy ao aminy ary anisan’ny mahangeza  vatana raha misotro matetika. Noho izany dia mety hitarika diabeta izany raha be loatra ary koa mitarika aretin’ny fo.

Nathalia Rasoarilala

Laisser un commentaire