ActualitésTsidika

Masindray: Tontosa soa aman-tsara ny fitokanana ireo foto-drafitr’asa tao Antsaharoaloha sy Antanamalaza

Notontosaina nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena teo, tao amin’ny kaominina Masindray ny fitokanana ireo foto-drafitr’asa tao amin’ny fokontany Antsaharoaloha sy ny fokontany Antanamalaza. Nandritra izany ihany koa no nanatanterahana ny lalao famaranana baolina kitra tao an-toerana, araka ny voalaza.

« Zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana ny vahoaka ny fahavitan’ny foto-drafitr’asa tahaka izao. Ny tomponandraikitry ny kaominina ihany koa dia miezaka hatrany mamaly ny hetahetan’ny vahoaka sy mampisitraka azy ireo foto-drafitr’asa araka ny filàna » hoy ireo tompoknandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Hisaorana lehibe ny tomponandraikitra amin’ny ezaka ataony ka nahavitana soa aman-tsara ny sekoly izao. Tena efa ela no niandrasana izao ary tena ilain’ny mpianatra ihany koa satria entina hampandrosoana ny fanabeazana »  hoy i Andry, mpampianatra.

Marihina, ny mahakasika ny lalao famaranana bailina kitra moa dia norombahan’i Soavina ny fandresena tao amin’ny ilany avaratra raha Ambohidraondriana kosa no naharesy tao amin’ny ilany atsimo atsinanana.

Manitra R.

Laisser un commentaire