France : Niteraka fihetsiketsehana goavana ny fahafatesan’i Nahel
Tovolahy 17 taona i Nahel, namoy ny ainy izy ny herinandro lasa teo noho ny fitifiran’ny polisy azy tao Nanterre. Raha ny fanazavana dia nandà nanaraka ny fandaminana nandritra ny fisafoana io tovolahy io. Niteraka fihetsiketsehana goavana nefa ny fahafatesan’i Nahel ary niteraka fiafandonana teo amin’ny manam-pahefana sy ny vahoaka izany.
Polisy sy zandary 40 000 isa no nahetsika nifehy ny korontana. Na dia teo aza nefa izany dia nirongatra ny herisetra sy ny fanimbana fananana tao amin’ny tanàna maro tao an-toerana. Manoloana izany dia manodidina ny 400 isa ireo voasambotra ny herinandro lasa raha ny tatitry ny tompon’andraikitra.
Raha ny voalazan’ny mpitondra tenin’i Gérald Darmanin dia 14 hatramin’ny 18 taona ny ankahamaroan’ireo voasambotra ireo. Nandroba, nangalatra ary nandoro toeram-pivarotana ihany koa izy ireo tao anatin’izany hoy izy. Marihana kosa fa efa voasambotra ilay polisy nitifitra an’i Nahel.
