Antontan’isa Covid-19
07 Aprily, 11h00. Olona 3 indray no lavon’ny valan’aretina ny alatsinainy 5 aprily lasa teo. Nahitana tranga vaovao miisa 165 kosa ary nisy sitrana 111. Mbola ny faritra Analamanga kosa no mitana ny laharana ambony indrindra amin’izany, izay nahitanana olona 118 vaovao mitondra ny tsimokaretina; ary maty ny iray, ny faritra Diana izay ahitana olona 22; ary manaraka azy ny faritra Analanjirofo izay ahitana olona miisa 6; tany Atsimo andrefana kosa no nahitana olona 1 maty ary tranga 4 vaovao; nahitana olona 1 maty ihany koa tao amin’ny faritra Anosy, ary tsy nahitana tranga vaovao. Raha ny mikasika ny tao Androy kosa dia tsy nahitana tranga vaovao ary tsy nisy aina nafoy. Androy 3, Boeny 2, Sava 2.
