Ambohimangakely : Manao antso avo manoloana ny tsy fahandriam-pahalemana ny mponina
Tokatrano iray ao amin’ny fokontany Ambohidavenina no notafihin’ny dahalo enin-dahy nirongo basy ny alin’ny alatsinainy hifoha talata lasa teo. Manjaka ny tsy fahandriam-pahalemana ao amin’ity kaominina ity satria tao anatin’ny iray volana mahery izao, nisesisy ny trangana fanafihana toka-trano sy toeram-pivarotana tao an –toerana ka hanaovan’ireo mponina antso avo amin’ireo zandary sy mpitandro filaminana ao an-toerana.
« Misy hatrany ny fandefasana tatitra sy fitarainana teny amin’ny zandary fa mbola tsy nisy fihetsehana nataon’izy ireo aloha hatramin’izao. Mihorohoro ny mponina satria tena manjaka loatra ny tsy fahandriam-pahalemana ety Ambohimangakely » hoy i i Jean, zokiolona.
« Ny zavatra tsikaritra aloha efa manjaka be ny asan-jiolahy ety. Tsy amin’ny fokontany iray ihany no hisehoan’izy io fa saika misy avokoa ireo fokontany hafa manodidina. Mitaraina eny anivon’ny fokontany, eny amin’ny fitandroana ny filaminana eny hatrany anaty tambajotran-tserasera fa mbola tsy misy aloha ny valiny na hoe fisafoana ny tanàna ataon’ny zandary entina hampandriana fahalemana ny tanàna » hoy i Lova, mpianatra, mponina Ambohimangakely.
Mangataka fiaraha-mientana araka izany ny mponina satria mandry tsy lavo loha izy ireo manoloana ny asan-jiolahy ao an-toerana. Atody miady amam-bato ireo mponina ka tokony hisy ny fandraisana an draikitra sy ny fanetsehana ireo mpitandro filaminana sy ny andrimasom-pokonolona entina miady amin’izany.
Manitra Ramanantsoa
