ActualitésTsidika

Fihariana : Mihena ny famokarana trondro ao Alaotra Mangoro

Nanatanteraka fitsidihana teny amin’ny farihin’Alaotra ny talem-paritry ny jono ao Alaotra Mangoro ary nahita fa mihena ny famokarana. Tsy misy afa tsy 9 000 taonina isan-taona intsony ny trondro azo ao an-toerana raha 2 400 taonina izany taloha. Maro ny antony mahtonga izany fa ny tena nibahana dia ny fahasimban’ny tontolo iaianana ka manimba ny farihy. Ankoatra ny maha sompitry ny vary an’ity faritra ity dia malaza ihany koa izy amin’ny famokarana trondro toy ny « baraoa » sy ny « carpe ».

« Mihena isan-taona ny fatra’ny trondro vokarina eto amin’ny farihin’Alaotra noho fahasimbany tontolo iainana. Mie-maina ny tany ka mihena tena mihena ny rano. Ankoatra izay anefa dia tsy manara-penitra sady ty manara-dalana ny ankamaroan’ny harato hampiasain’ireo mpanjono ka manimba ny trondro. Misy amin’izy ireny no madinika loatra ka voasambotra hatramin’ny zana-trondro izay mampihena ny trondro misy ato anaty farihy, nandraisana fepetra moa izany », hoy i Ninia Randrianiera, talem-paritry ny jono ao Alaotra Mangoro raha nanazava ny anton’izao fihenan’ny vokatra izao.

« Tototry ny tany ny sisin’ny farihy ka mihena ny trondro. Izahay ihany koa anefa tsy manana fitaovana lehibe ahafahana midina ampovoany satria lakana no ampiasainay sy harato amboamboarina. Anisan’ny antony mampihena ny vokatra daholo izany. Voatery izahay mampiasa izay fahaizanay sy izay eo antananay satria tsy misakafo izahay raha tsy mivarotra trondro », hoy i Zama, mpanjono ao amin’ny farihin’Alaotra.

Mihena ny vokatra, ny fiarovana sy ny fitandroana ny tontolo iainana no mila hampiakarina. Eo ihany koa ny fanampiana ireo mpanjono madinika amin’ny alalan’ny fitaovana sy ny fampiofanana samihafa.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire