Australie : Lehilahy iray no namarotra ny seza nanafenany 18 000 Euro
Lehilahy iray no nametraka ny sezany (canapé) efa tonta tao amin’ny mpivarotra « occasion » iray tao Queensland ao Australie. Adinon’io lehilahy io nefa fa nanafenany ny tahiriny izay mitentina 30 000 dollars australiens (91 tapitrisa Ar) io seza io. Raha ny fanazavany dia napetrany tao ambanin’ny « coussin » an’ilay seza ilay vola.
Tany am-piandohana dia nihevitra io lehilahy io fa efa nafindrany toerana ilay vola, saingy herinandro vitsivitsy taorian’ny nanomezany ilay seza ilay mpivarotra dia hitany fa tsy tao amin’ilay fitoerana noheveriny ilay vola. Rehefa niverina tao amin’ilay tsena nefa ny tenany dia efa lafo ilay seza ary tsy hita soritra ilay olona nividy azy.
Manoloana ny tranga dia nanokatra « campagne en ligne » hitadiavana ny nanjifa ilay seza ilay lehilahy mba hakàny ny tahiriny. Nilaza izy tao amin’ny 7news fa na ny sasany amin’ny volana ihany aza no tafaverina dia efa faly ny tenany saingy lavitra ezaka izany hoy izy.
