ActualitésTsidika

Toliara : Voakasiky ny Padeve andiany voalohany

Noraisina vonjimaika ny 04 Aogositra 2022 ny lalana vita tara mirefy 7km mampitohy an’Andakoro, Aide et Action, ny Rocade Extérieure, ny fokontany Ambohitsabo sy Antaravay, sy ireo lalana pavé miisa 22, mitontaly 5 km miampy ireo lakan-drano ao an-tampon-tanànan’i Toliara. Tafiditra ao anatin’ny tetik’asa Padeve, izay vatsian’ny AFD (Agence Française de Développement).

« Miteti-bidy 23 258 tapitrisa ariary ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa ireo. Tafiditra amin’ny andiany voalohany amin’ny Programme d’Appui et de Développement des Villes d’Equilibre » hoy ny tompon’andraikitra. « Tena misaotra ny tompon’andraikitra mihitsy amin’izao lalana tsara vita izao. Tena ilainay mponina amin’ny andavanandro sy ny serasera ahafahana mampandroso ny tsirairay ny toy izao » hoy i Hillary, mponina ao Andakoro.

Ny tanàna’i Toliara sy Fianarantsoa ary Antsiranana no voakasiky ny Padeve 1. Hitarina amin’Antsirabe, Toamasina ary Mahajanga ny Padeve 2.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire