ActualitésTatitra

Etats-Unis : 49 taona taorian’ny nahafatesany vao fantatra ny nanjoa an’ilay « Dame des dunes »

Tamin’ny 26 jolay 1974 no hita tao amin’ny dongom-pasika (dunes) tao Race Point Beach, tao Provincetown, Massachusetts ny razan’i Ruth Marie Terry, 37 taona avy ao Tennessee. Niboridana tanteraka teo ambony lamba famaohana ny tenany tamin’ny fotoana nahitana azy, notapahiny ihany koa ny lohany sy ny felan-tanany.

Raha tsiahivina dia tovovavy kely 12 taona nitondra ny alikany nandendeha no nahita ny razana. Nandritra ny fotoana naharitra dia tsy fantatra ny mombamomba an’i Ruth Marie Terry ka nantsoina hoe « Dame des dunes » ny tenany. Ny volana novambra 2022 vao fantatra ny momba azy sy ny fianakaviany.

Niverina irery avy tamin’ny dia nataony ny vadin’i Ruth Marie Terry antsoina hoe Guy Muldavin ny fahavaratry ny taona 1974. Nandritra izany izy no nilaza ny tsy fahitàna ny vadiny. Nilaza ny anadihin’ny niaram-boina tamin’izany fa nandeha nanaraka sekta ny anabaviny. Fantatra nefa ankehitriny fa ny vadin’i Ruth Marie Terry ihany no namono azy.

Laisser un commentaire