Algérie : Ahoana ny nihandohan’i Riyad Mahrez teo amin’ny taranja baolina kitra ?
Teraka ny 21 febroary 1991 tao Sarcelles, ao France i Riyad Mahrez. Mpilalao baolina kitra avy ao Algérie izy izay milalao amin’ny « Premier League » eo amin’ny toeran’ny « ailier droit » ao Manchester City (Angleterre).
Mbola tanora i Riyad Mahrez no sniditra teo amin’ny sehatry ny baolina kitra. Ny AAS Sarcelles, ao France no klioba nilalaovany voalohany. Ny Quimper KFC kosa no nampiofana izy ary ary nampiditra azy teo amin’ny sehatry ny mantihanina ny taona 2019.
Ny taona 2014 kos izy no niditra teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena niaraka tamin’i Algérie. Nandray anjara tamin’ny tompondaka eran-tany taona 2014 izy tamin’izany ary nilalao tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrique ny taona 2015, 2017, 2019 ary 2021.
Ao amin’ny ekipan’ny Manchester City kosa izy no milalao amin’izao fotoana ary nanaovao ny fifanarahany amin’ny klioba hatramin’ny taona 2025.
