SocialTsidika

Toamasina: Nanadio ny kianja manara-penitra ny ekipan’ny Kaominina sy ny Miaramila

Manome tanana sy manampy ny vahoaka Malagasy hatrany ny Tafika Malagasy. Nanatevin-daharana ny Kaominina Toamasina ny miaramila ao Pangalana amin’ny fanadiovana ny kianja any an-toerana. “Tena ilaina amin’ny fampandrosoana ny tanàna madio sy milamina. Isaorana ny tafika nanampy anay hahatontosan’izany” hoy ny avy ao amin’ny kaominina Toamasina. “Vonona mandrakariva hiaro sy hanampy ny tanàna izahay. I Madagasikara mandroso no tanjona iraisana. Miara-mientana isika rehetra hahatratrarana izany” hoy ny avy ao amin’ny ZDS Pangalana. “Ny olona tonga saina sy mandroso dia miezaka manadio hatrany. Ny olona adala sy tsy mieritreritra kosa miezaka mandoto sy manimba ny fananana iombonana. Tsy tsapany mihitsy ny maha-zava-dehibe ny fahadiovana” hoy i Clémence, mpianatra ny teny aman-tsoratra ao amin’ny Oniversiten’i Toamasina. Tokony hanaja ny fananana iombonana hatrany ny tsirairay, eny fa na ny fananana tsy iombonana aza. Manana anjara toerana lehibe amin’ny tontolo iainana ho an’ny taranaka mantsy ny fahadiovan’ny tsirairay, ny fahadiovan’ny tanàna ary indrindra ny fahadiovan’ny nosy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire