Ankadikely Ilafy : Tsy nanadino ireo tompon’andraiki-panjakana ny SEFAM
Tonga niarahaba sy nanolotra solombodiakoho ny Ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, ny lehiben’ny Distrika Avaradrano ary ieo olom-panjakana ny fikambanan’ny sefom-pokontanin’Ankadikely Miray na ny SEFAM. Mivondrona iray ao amin’io fikambanana io ny sefom-pokontany rehetra any Ankadikely Ilafy. “Miara-miezaka ho amin’ny fampandrosoana ao anaty fahasamihafana isika. Mankasitraka indrindra amin’ny fiarabana sy ny tolotra” hoy ny Ben’ny tanàna, Rija Rajaonah. “Ireo no ray aman-dreny eto an-tanàna raha ny resaka an-tanan-tohatra no jerena. Mila omena haja ary tosika hatrany hampandrosoana ny firenena” hoy ny solontenan’ny SEFAM. “Vonona hatrany izahay raha resaka fampandrosoana ny tanàna. Misokatra ihany koa ny fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana” hoy ny lehiben’ny Distrika. Tsara tokoa ny manome hasina ny ray aman-dreny eo an-tanàna. Mifameno ny rehetra amin’ny fampandrosoana ary zava-dehibe ny fifanajana.
Nicole Rafalimananjara
