Lehiben’ny Faritra Antsohihy teo aloha naiditra am-ponja vonjimaika noho ny resaka kolikoly
Olona dimy no naiditra am-ponja vonjimaika Taorian’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Pôle Anti-Corruption (PAC) tao Mahajanga. Tafiditra ao anatin’izany ny Lehiben’ny Faritra Sofia teo aloha. Olona valo kosa no mandalo fanaraha-maso ara-pitsarana (contrôle judiciaire) noho ny raharaha kolikoly nitranga nandritra ny fitantanana ny Faritra araka ny loharanom-baovao.
Tao aorian’ny fanadihadiana nataon’ny Bianco Mahajanga dia fanodikodinam-bola sy fananam-panjakana ary tsenam-panjakana (marchés publics) mitentina hatramin’ny 600 tapitrisa Ariary no vesatra anenjahana azy ireo. Araka ny fanazavan’izy ireo dia fiaraha-miasa niaraka tamin’ny Inspection Générale d’Etat (IGE) ao Mahajanga no nahafahana nanatanteraka izany.
Hasina Rasamimanana
