Ireo mpampianatra mpikaroka lavon’ny Covid-19
Tsy mifidy sokajy, na taona na sehatra, ny aretina vokatry ny coronavirus. Mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversite miisa 30 no lavon’ny Covid-19 nandritra ny volana martsa sy aprily tamin’ity taona ity. Tsy maintsy mitohy foana manko ny fampianarana na eo aza ny aretina ka izany no hita fa tena nahazoan’ireo mpampianatra mpikaroka ity tsimok’aretina ity toy ny fivoriana na fiatrehana tohan-kevitra na « soutenance ». Saika maneran-tany Oniversite rehetra no nahitana ireo olona 30 maty ireo hoy i Jonah Ratsimbazafy, lehiben’ny Groupe d’Etude et de Recherche sur les Primates de Madagascar GERP. Tany amin’ny Oniversiten’i Toliara no nahitana ny enina tamin’izany hoy hatrany izy tao anatin’ny roa volana monja. Tamin’ny volana aprily teo aza, telo andro nisesy no namoizana ireo tena andrarezina amin’ny fampianarana izay nahitana an’i Pr Roger Bruno Rabenilaina sy Pr Max Rabemila ary Pr Barthélémy. Tsy mifidy zana-tsehatra ny aretina ka saika nahitana mpampianatra namoy ny ainy nanerana ny zana-tsehatra tao amin’ny anjerimanontolo. Ahoana izany no mety ho tohin’ny lentan’ny fampianarana ? Hanana ny traikefa efa nanan’ireo andrarezina ve ny mpisolo azy ? Mila fotoana manko ny ny fakàna traikefa ary ny fisian’ireo andrarezina mpanoro lalàna no hahazahoana izany kanefa ireo andrarezina aza lasa nandao. Tokony ho tahiana amin’ireo mpampianatra tanora hisolo azy ireo araka izany ny famoahana voka-pikarohana sy famoahana boky mialohan’ny handraisana azy ireo ho mpampianatra raikitra mba tsy hampidina ny lentan’ny fampianarana eny anivon’ny anjerimanontolo, hoy hatrany ny GERP. Vahaolana ary ve ny hanaovam-baksiny ny mpampianatra rehetra mba hiarovan’izy ireo tena manoloana ny andraikitra tsy maintsy hataony amin’ny fampianarana ? Ary indrindra tsy hampiakatra intsony ny isan’ny mpampianatra maty ?
Nicole Rafalimananjara
