CultureTatitra

Royaume-Uni : Ho azo tsidihina amin’izay ny rovan’i Buckingham

Ny ampahany amin’ny Lapan’i Buckingham any Londres, ao anatin’izany ny efitrano mifanila amin’ny lavarangana izay toerana fiarahaban’ny fianakavian’ny mpanjaka ny vahoaka, ary ny rovan’i Balmoral ao Ecosse dia ho azon’ny besinimaro ho tsidihina, manomboka ny volana jolay izao, araka ny fanambarana nivoaka ny alarobia teo. Ny avy ao atsinanana izay vao nasiam-panavaozana ao amin’i Buckingham ihany koa dia ho azo tsidihana saingy arahina mpitari-dia avy ao amin’ny rova izany. Ankoatra izay, rehefa mampiasa izany tapakila fitsidihana izany ihany koa dia afaka miditra ao amin’ny lalan-tsara lehibe, izay voaravaka sary hoso-doko nataon’i Thomas Gainsborough sy ny efitrano mifanila amin’ny lavarangana izay manatrika ny « Mall » na ny toeram-pivoriana sy filanonana tamin’izany. Samy manana ny saram-pitsidihana avokoa ireo toerana ao amin’ny lapa ireo,izay manomboka amin’ny 100 livres na 117 euros. Manomboka amin’izao moa dia efa misy ireo manao famandrihan-toerana amin’ny fitsidihana.

Laisser un commentaire