Dépêches

Lalam-pirenena: Efa miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana tamin’ireo faritra izay nikatona

Dépêche 23 février, 13h, Noho ny fandalovan’ny rivo-doza Freddy dia voatery maro ireo lalana no nakatona ka tsy nisy ny fifamezivezena nandritra ny roa andro. Efa miverina amin’ny laoniny izany raha ho an’ny lalam-pirenena faharoa, ny lalana mampitohy an’ny Vatomandry-Mahanoro, ny lalana Fianarantsoa Antananarivo. Ny maraina teo kosa no niverina nisokatra ny lalana izay mampitohy an’ny Morondava rehetra. Mety mbola halama ny lalana ka ny mpamily rehetra no ilaina ho mailo manoloana izany.  

Laisser un commentaire