Hihena ny maripana eto Afovoan-tany amin’ny faran’ny herinandro
13 Aogositra, 08h00. Hisy ny fihenan’ny maripana eto afovoan-tany hatramin’ity faran’ny herinandro ity ary ihany koa any amin’ny faritra atsimon’ny nosy raha ny nambaran’ireo avy ao amin’ny sampana mpamantatra toetr’andro. Mila miomana hatrany araka izany isika rehefa hivoaka ny trano.
