Dépêches

CENI: Hanampy azy ireo amin’ny fanomanana fifidianana ny Masoivoho Amerikanina

Dépêche 10 mars, 14h, Vonona hanome tan-tsoroka ny CENI ny Masoivoho Amerikanina amin’ny fanomanana ny fifidianana. Hiseho amin’ny alalan’ny fanabeazana ara-pifidianana ny olom-pirenena izany fanohanana hataon’izy ireo izany. Etsy andaniny dia hisy ihany koa ny fanentanana ny vehivavy mba handray anjara mavitrika amin’izany fifidianana izany izay ho tanterahin’ny CENI eo anivon’ny pejy facebook izay tantanan’izy ireo ihany. Haharitra 10 andro izany fanentanana izany. Marihina moa fa hatramin’ny faran’ny volana may no tapitra ny fisoratana anarana ho ao anatin’ny lisi-pifidianana izay tanterahina eny anivon’ny Biraon’ny Fokontany tsirairay. 

Laisser un commentaire