France : Nitombo 32% ny mpanao heloka be vava noho ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny fanoherana finoana
Nahitana fiakarana hatramin’ny 32% ireo heloka bevava na fandikan-dalàna mifandraika fanavakavaham-bolon-koditra, fankahalana vahiny ary ny fanoherana finoana, ny taona 2023, raha mitaha amin’ny taona 2022, araka ny tatitra navoakan’ny sampan-draharahan’ny statistikan’ny ministeran’ny atitany, ao France, omaly alarobia. Ho an’ny taona 2023, manodidina ny 15.000 ireo tranga voarain’ny polisy sy ny zandarimaria, mahakasika ny adim-poko, firenena, firazanana na finoana manerana ny faritr’i France, izay ny 8500 amin’izany dia heloka bevava na fandikan-dalàna. Anisan’ny nampirongatra izany herisetra izany ny faran’ny taona teo, noho ny hetsika nataon’ireo mpanohatra juif (antisémites), izay misy hifandraisany amin’ny ady eo amin’ny Israël sy Hamas.
