Talata Volonondry : Nahazo foto-drafitr’asa ho an’ny rano fisotro madio ny vahoaka
Tafapetraka ny foto-drafitr’asa manome rano fisotro madio ho an’ny mponina ao amin’ny kaominina Talata Volonondry. Fametrahana toerana fakana rano ho an’ny rehetra, izay natolotry ny ministera misahana ny rano sy ny fidiovana ary fanadiovana, no vita nandritra izany.
« Hisaorana hatrany ny fitondram-panjakana amin’ny fanomezana sy fanohanana ny mponina ety ifotony amin’ny foto-drafitr’asa tahaka izao, izay tsy afa-misaraka amin’ny fiainana anadavan’andron’ny mponina ny rano fisotro madio » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Mahatsiaro afa-pahasahiranana ny vahoaka amin’ny zava-bita tahaka izao. Hirariana mba haharitra, ho samy sarotiny amin’ny fikojana izany ny rehetra mba tsy handalo fotsiny ny fisitrahana rano madio tahaka izao » hoy i Sahondra, mponina ao Talata Volonondry.
Zava-dehibe eo amin’ny fampandrosoana ny fananana foto-drafitr’asa fisitrahana ny rano fisotro madio tahaka izao, izay sady antoky ny fahasalaman’ny mponina ihany koa. Tsara ihany ny manentana ny mponina mba hahay hikojakoja sy hikoloko izany fananana iombonana izany.
Manitra R.
