Barea A: Nanomboka omaly ny fampivondronana sy ny fanomanan-tena
Dépêche 20 mars, 10h, Efa nanomboka omaly alahady ny fampivondronana ny Barea A sy ny fanazaran-tena hahafahana miatrika ny lalao hifanandrinana amin’ny Centrafrique ny alakamisy izao. Efa tonga niaraka tamin’ireo mpilalao avy eto an-toerana i Melvin Adrien sy i Ibrahim Amada izay kapitenin’ny ekipa. Araka izany dia efa ny 50% amin’ireo mpilalao voaantso no tonga. Manana 4 andro araka izany ireto Barea A ireto hanomanan-tena amin’io lalao hiadiana ny toerana hiatrehana ny CAN izay hatao any Côte d’Ivoire io.
