Masindray : Kaomina iray voahodidina vohitra manan-tantara efatra
Kaominina iray ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano i Masaindray, ary manana ny tantarany sy ny antony nahatonga izay anarany izay ihany koa izy. Raha miala ny renivohitr’i Madagasikara dia 24km eo ho eo no misy azy, ary voahodidina kaominina miisa efatra izy, ary ao afovoan’ireo no misy azy.
Raha aty amin’ny tapany Avaratra izao dia ny kaominina Ambohimanambola no akaikiny. Ankadinandriana kosa ny Atsimo ary Alasora ny ao Andrefana, raha Alarobia Ambatomanga kosa ny ao Atsinanany. Miisa 11 kosa ny fokontany mandrafitra azy, ary manodidina ny roa alina latsaka kely eo ho eo ny mponina misy ao an-toerana ankehitriny.
Raha ny asa fiveloman’ireo mponina indray dia ny fambolena sy ny fompiana no tena ifotorany, amin’ny maha tanàna ambanivohitra azy. Manana fokontany roa manana ny maha izy azy amin’ny resaka fiompiana mihitsy ireo mponina ary ny omby no tena ompiana amin’izany, iany hoe tanàna feno valan’omby mihntsy ny ao Faliarivo sy Antanimenabe, ny fambolena indray ankoatra ny vary dia ny « legume » no tena be mpamboly ary isan’izany ny karoty sy ny ovy ary ny ananamaro samy hafa.
Raha ny fitantaran’ny lefitry ny ben’ny tanàna dia « izany Rambavy izany no angady nananana sy vy nahitàna io tanàna io. Amin’ny maha vehivavy mitantana tanàna azy dia nisedra olana izy, ary nisy ady sy ny fananfihana ny tanàna mba ahazoana fanjakàna, ka nihatrika izany koa Rambavy. Tsy maintsy natanja-tsaina anefa izy na dia izany aza ho an’ny vohitny. Nisy toerana izay fatsankana, ary noho ny ady dia tsy afaka nantsaka tao ireo mponina fa lasa fairano. Niantso tamin’ny feony anefa i Rambavy ka niteny hoe « raha andrian-dRay aho raha andrian-dReny dia ataovy resiko ireo fahavalo ireo ». Rehefa nihatrika ny ady izy dia resiny ny fahavalo ka vaky nandositra ireo, ary azony ny fandresena. Noho izy nandrianin-dray ka nandresy tamin’ny ady no nahatonga ny anarana hoe Masindray ».
Antananarivokely no tena anaran’ny tanàna taloha, ary taty aoriana no lasa « Masindray ». Misy vato telo ao antampon-tanànan’ny Masindray ary mampiseho sary roa samy hafa na fanjakàna roa samy hafa izany sary izany. Io no naha izy azy ny tanàna. Araka ny fantatra dia Andrianampoinimerina no nametraka ireo vato ireo, ary ny iray lava be, izay mariky ny fiandrianana na ny andriana ny hafa fphifohy maromaro kosa ny mapiseho ny vahoaka raha ny endriky Madagasikara mihitsy no eo afovoany.
Tanàna hanjakàn’ny fandriam-pahalemana izy ary mbola ahitàna tontolo maintso ihany koa. Ny tanàna koa tsy dia lavitry ny renivohitra fa akaikin’Ambohimanambola, ary ahitana fokontany maro azo tsidihina.
