Syrie : Vitsy mpahalala ny « lehiben’ny vondrona mpampihorohoro » lavo tamin’ny tafika avy any Etats-Unis
Raha tsiahivina dia ny alakamisy teo no lavo tamin’ny fanafihan’i Etats-Unis tao amin’ny tànanan’i Atmé ireo vondrona mampihorohoro « jihadiste » Etat islamique (EI). Efa nomanina an-taonany maro io fanafihana io ary anisany nokendrena tamin’izany ny mpitarika ny vondrona.Vitsy mpahalala io mpitarika « jihadiste » io. Tsy mbola nampiseho ny endriny tamin’ny daholo be mihitsy izy hatramin’ny nanoloana an’i Abou Bakr Al-Baghadadi izay lavo tamin’ny fanafihana toy io niseho ny herinandro lasa teo io tamin’ny taona 2019.Namono tena io mpitarika vaovao io tao aorian’ny fanafihan’ny tafik’i Etats-Unis mba tsy ho voasambotra. Abou Ibrahim Al-Hachimi Al-Qourachi no anarana nentiny niady (nom de guerre) raha ny fantatra, hita faty tao avaratra andrefan’i Syrie izy ary nanapoaka tena araka ireo tompon’andraikitra. Nonina tao Atmé niaraka tamin’ny fianakaviany tao amin’ny faritanin’Idlib izay faritra eo ambany fahefan’ny HTC (Hayat Tahrir Al-Cham), izay sampan’ny Al-Qaida teo aloha izy.Fantatra kosa fa tsy maintsy hisy handimby indray izy, saingy efa fandresena ho an’ny tafika ny nahafatesany.
