ActualitésTatitra

Avy aiza ny « dreadlocks » na ny « rasta » ?

Diso ny fihevitry ny maro hoe i Jamaïque no nipoiran’ny rasta. Mbola mifamahofaho kosa nefa ny tena niandoany fa raha ny ela indrindra amin’ny tantara dia tao Inde no nisy azy voalohany, talohan’ny taona 2500 hatramin’ny 1500 alohan’ny Jesoa Kristy. Voarakitra ao an-tsoratra ao amin’ny bokin’ireo « védiste » izany (finoana nentin’i Iran tao Inde). Ny andriamanitra Shiva sy ny mpianany no voarakitra ao amin’ny boky fa nanao azy voalohany ka nantsoina hoe “jaTaa” midika hoe volo mifamatotra, misaringotra. Mbola ao anatin’ny kolontsaina hindoue ny rasta ankehitriny ireo lehilahy antsoina hoe « Sâdhu » no mbola manao azy, izay sokajiana ho lehilahy endry eo amin’ny fiaraha-monina.Nanambara kosa ny mpikaroka Ajai sy Laxmi Mansingh ny taona 1985 fa ireo mpiasa Indien mifindra monina tao Jamaïque tamin’ny taona 1930 no nitondra ny rasta tao an-toerana. Manaporofo izany raha ny fanazavana ny fakana ny teny hoe Jah (zanahary) tamin’ny fivavahana amin’i Shiva « Jai ». Ny firoborobon’ny gadona reggae ny taona 70 kosa no anisany tena nanamparitaka azy.

Laisser un commentaire