SocialTsidika

Mila hamafisina ny paik’ady hiarovana amin’ny Covid-19.

Tafiditra ao anatin’ny andiany faharoa amin’ny COVID-19 i Madagasikara amin’izao. Hatreto aloha tsy mbola misy ny eritreritra ny hiverina amin’ny fihibohana fa atao aloha izay azo atao ialana amin’izay. Betsaka ny paik’ady nampiana noho ny teo aloha mba hanamafisana ny fiadiana amin’izany. Tafatsangana ny Bataillon Multi Missions 4 izay hanome tanana ny BIS na ny Brigade d’Intervention Spéciale. Izy ireo izay manana andraikitra amin’ny fandrindrana sy fandraisana an-tanana ireo mararin’ny Covid-19 hitoby eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka. Fitaovana sy traikefa mifandraika amin’ny filàna amin’izany iraka izany no entin’izy ireo manatanteraka ny asa sahaniny. Tonga nanome ny toromarika azy ireo ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika ny 23 Martsa teny amin’ny Bataillon Parachutiste Ivato. Tsy izany ihany anefa fa nanamafy amin’ny fanajana ireo fihetsika sakana hiarovana tena ahafahana miaro sy manampy ny vahoaka izy. Tsy tokony hihenahena isika amin’ny fiadiana ity aretina ity satria hita fa manomboka mahazo vahana indray izy. Ny fanjakana efa miezaka manao izay azony atao amin’ny fanentanana isan-karazany, ny vahoaka kosa manaraka ny lamina sy miezaka miaro ny tenany tsirairay. Iarahana misalahy ny fiadiana ity valan’aretina ity fa tsy hoe ny vahoaka irery na ny fanjakana irery no tompon’andraikitra fa samy tompon’antoka avokoa isika mianakavy. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire