Belgique : Lehilahy iray nandoro velona ny vadiny taloha sy ny zanany mianadahy
Nandeha nantitra ny zanany tany amin’ny tranon’ny vadiny tao Vaudignies i David, 41 taona ny harivan’ny zoma teo. Marihina fa efa nisaraka izy ireo ary nizara ny fiambenana ny zanany mianadahy 9 sy 7 taona.
Rehefa tonga tao an-tranon’i Sara, ilay renim-pianakaviana i David dia notondrahany lasantsy io renin-janany io ary nodorany velona. Nitsoaka niaraka ny zanany roa io lehilahy io ary rehefa tany amin’ny 50 metatra niala ny trano tany dia nodorany niaraka taminy sy ny zanany ilay fiara nentina.
Ireo mpiray vodirindrina nahita setroka nivoaka ny tranon’i Sara kosa no niantso ny manam-pahefana. Mbola niaina izy tamin’ny fotoana nahatongavan’ireto farany saingy maty ho ny ratrany izy. Taorian’izany dia hitan’ireo polisy ihany koa ny razan’i David sy ny zanany maty tao anaty fiara.
Raha ny fantatra dia efa nomanin’i David io famonoan-tena sy famonoana olona io. Nitondra solika maro tao anaty fiarany izy ary nandefa veloma tany amin’ny renin’i Sara sy ny namany.
