ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Miezaka mitondra fanavaozana ny fitaovana firaiketana ny sora-piankohona ny kaominina

Fitaovana voalohany fampiasa eny amin’ny biraon’ny kaominina ny boky, indrindra ireo fandraiketana ny sora-piankohonana. Anisan’ny manavao sy mitondra fanatsarana izany fitaovana izany hatrany ny kaominina Ambohimangakely, raha ny voalaza.

« Tao anatiny 3 taona izao dia niezaka hatrany nitondra fanavaozana ny fitaovana hentina miasa ireo eto amin’ny service état civil. Teo ny fanamboarana ireo boky simba rehetra izay tsy nisy ny fikitihina azy ireo hatramin’izay ary hita fa efa tonta sy rotika tokoa » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Anisan’ny ezaka tsara ny fitondrana fanavaozana eo amin’ireo boky ampiasaina eo anivon’ny kaominina tahaka izao, kanefa tsara kokoa raha manao ezaka amin’ny fampiasana ny teknolojia vaovao, satria izany no mandrindra sy ahavitana asa be be kokoa raha amin’izao vanim-potoana izao » hoy i Andry, informaticien.

Efa mandroso tokoa ny teknolojia amin’izao fotoana izao ary betsaka ireo sehatra sy rafitra efa mampiasa izany mba handraiketana sy handaminana ireo toro, indrindra mahasika ny kaomnina tahaka izao. Ny fampiasana ny boky sy ny taratasy anefa tsy mbola afa-misaraka amin’ny ankabeazan’ny malagasy, indrindra fa ny any amin’ireo kaominina ambanivohitra.

Manitra R.

Laisser un commentaire