Conseil

Ahoana ny fomba hanazavana ny trano amin’ny andro atoandro ?

Maro ireo trano, na iva ny tafo na maloka lalandava ny toerana na tsy ampy ny varavaran-kely na mifanety amin’ny trano hafa hany ka maizina ny ao an-trano na dia amin’ny andro atoandro aza. Efa lafo koa anefa ny herinaratra ka hampiakatra indray ny vidin-jiro ny fampirehetana ny jiro mandritra ny andro.

Maka tavoahany plastika sy tapaka fanintso na tôle kely ka lavahana hiditra terana ao ilay tavoahangy ary somary asiana lakôly amin’ny manodidina mba tsy hitete. Apanaho kely indray ilay tafo idiran’ilay tavoahangy ka ny sarony no atao ambony ety ivelan’ny tafo ary tapany miditra ao an-trano, mivoaka ny plafond raha misy. Mety ihany koa na tafo bozaka na satrana ny trano. Mila jerena tsara fotsiny tsy hitete ny manodidina ilay tavoahangy. Fenoina rano madio ilay tavoahangy ka saromana tsara. Raha lany na misy lomotra dia azo diovina sy ampiana rano indray avy eo.

Ho hazavain’ny masoandro amin’izay io tavoahangy io ka hazava ny ao an-trano. Azo atao maromaro izy eo ambony tafo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire