Torohevitra 6 hitrandrahana ny fiainana tsara any amin’ny toerampiasana
1- Manangana toerana voatokana tsy hiasana
Asio toerana voatokana hialana voly ao amin’ny efitra iray hakan’ny mpiasa aina, afaka asiana karazana kilalao kely ao amin’io toerana io mba hanamaivanana ny adintsainy sy ny lohany reraky ny asa
2- Omena fotoana kely fialantsasatra ny mpiasa
Maka aina kely 5 hatramin’ny 10 minitra isakin’ny adin’ny roa dia manampy tanteraka ny mpiasa mba hananany fahatanjahana sy fivoarana ara-tsaina tsara amin’ny sehatry ny asa izay ataony.
3- Ravaho voninkazo ny toeram-piasana
Ny fisian’ny zavamaniry ao amin’ny birao dia manatsara ny toe-tsain’ny mpiasa sy ny vokatra. Ankoatra ny maha haingon-trano azy, dia manohitra ny tabataba ary mandray anjara hanamaivana ny tontolo iainana ny zavamaniry.
4- Ny sakafon’ny mpiasa dia tokony ho ara-pahasalamana hatrany
5- Omeo fahalalahana ny mpiasa amin’ny ora fiasany arakaraky ny fahafahany mandamina ny fahafahany, arakaraky ny asa izay sahaniny, afaka omena alalana hiasa any antrano ihany koa izy.
6- Manaova hetsika hiarahan’ny mpiasa manao toy ny fankalazana tsingerintaona na fiarahana mifaly isankarazany.
